19/04/2026
HO AN'NY OLONA TE HO NGEZA
Ity torolalana izay atoro anao ity dia hanampy be amin'ny fitomboan'ny vatana (lanja) tsy misy fiatraikany amin'my fahasalamana. Raha avy narary ianao ka te hamerina lanja dia mety, na koa te hampitombo lanja fa mahatsiaro ho mahia loatra. Araho dia hahita vokatra tsara ianao.
• AKORA ILAINA
Akondro 1 (énergie)
Ronono 1 vera (proteine + graisse)
2 sotro totom-boanjo (calories)
1 sotro tantely na siramamy
2 sotro flocons d'avoine (raha misy)
• FIKARAKARANA AZY
Tetehina ny akondro, potserina ao anaty mixera, raha toa tsy manana dia potserina tanana. Alefa ao anaty ronono 1 vera miaraka amin'ny totom-boanjo, tantely ary flocons d'avoine. Rehefa vita izay dia afangaro tsara mba ho marihitra.
• FAMPIASANA AZY
Mihinana 1 vera ilay fangaro teo in-droa isan'andro. Izany hoe isaky ny mihinana dia manamboatra vaovao.
1) Iray vera maraina alohan'ny sakafo.
2) Iray vera hariva alohan'ny hatory.
• FAHARETANY
Ity astuce ity dia atao mandritra ny 2-4 herinandro dia hahita vokatra goavana manaraka lojika ianao.
• FANAMARIHANA
Io ny fomba arahina raha hampitombo lanja amin'ny fomba natoraly ianao. Fa raha hampiasa produit voahodina dia ny « Morvite » izay vidiana eny amin'ny grande surface.
Zarao sao mahasoa ny hafa ity astuce ity. Aza adino ny manaraka ny pejy isan'andro fa betsaka torolalana mahasoa eto.