20/04/2025
𝐓𝐬𝐲 𝐫𝐞𝐬𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐯𝐚𝐝𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐤𝐞𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚
Ny iray mamorona zavatra amidy,
Ny iray mitady mpanjifa,
Ny iray mikarakara ny vokatra.
Ny iray miezaka manangona, ny iray miezaka mampiodina.
Ny iray miasa amin’olona azahoana vola
Ny iray mandraharaha mampiasa ilay vola azo
Mifampizara hevitra, manao kaonty miaraka, mitady fomba hampitomboana izany.
Miaraka mametraka tanjona hoe:
“Andao hanangona vola dia hividy fiara amin’ny volana Janoary.”
Tsy misy olana tsy hain’ny mpivady miray saina sy miara-miketrika resena.
Rehefa miaraka mikaonty ny mpivady dia:
1. Mampitombo haingana ny vokatra
Roa ny saina, roa ny tanana, roa ny ezaka = haingana ny vokatra.
2. Manamafy ny fifankatiavana
Miara-manangana = miara-mifaly sy miara-mitondra enta-mavesatra = miha-matotra ny fifandraisana.
3. Manampy amin’ny faharetana sy fifehezan-tena
4 . Tsy mora kivy amin’ny tanjona, satria samy manohana sy mampahery.
“Mpivady miray hina, miray tanjona, miray saina = fianakaviana mandroso haingana.”
Réussir avec Martin